"Aoka ny olona rehetra samy hanao araka ny fony avy,tsy amin'alahelo na amin'ny faneriterena;fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra" 2 KORINTIANA 9 : 7"

 

    Hafatra fiarahabana avy amin'ny Mpitandrina Raseta Christian

 

Ry hava-malala,
Amin’izao faran’ny taona izao, dia mirary Krismasy sambatra sy mahafinaritra ho anareo rehetra, ny fianakavianareo sy ny ankohonanareo, eo ambany ny fiandrianan’i Kristy mpamonjy antsika.
Ary dieny izao  aho mirary taona 2012 feno fahafam-po ho anareo sy ny fianakavianareo rehetra na ny eto an-toerana, na ny any an-tanindrazana, na aiza na aiza no misy azy. Ho salama na ny vatana, na ny saina na ny fanahy, ary ho tanteraka daholo anie izay rehetra kasainareo amin’ny lafiny rehetra. Ny ratsy efa nidiavina anie ho lasan’izay fa ny tsara sy ny mahasoa no hitoetra ao amin’ny fiainanareo, ary mbola handroso isika rehetra amin’ny fifankatiavana sy ny firahalahina.
Homba anareo rehetra anie ny Tompo !

 

Chers amis, chers frères et sœurs,
Recevez ici mes vœux à l’occasion de ces fêtes de fin d’année. Que ce Noël soit pour vous une occasion de joie et de retrouvailles, dans l’esprit de l’arrivée de Jésus-Christ Notre Sauveur, et dans la foi qui nous rassemble.
Et que l’année 2012 maintenant très proche voie la réalisation de vos vœux sur tous les plans, pour vous, pour les vôtres, et pour tous ceux qui vous sont chers, en France, à Madagascar, et où qu’ils se trouvent.  Que les épreuves ne vous abattent pas mais vous renforcent dans votre confiance en vous et dans les autres, dans l’amitié et l’affection.
Que le Seigneur vous bénisse tous.

Mpitandrina Raseta Christian