"Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo mba handeha sy hamoa" JAONA 15 : 16a

 

 

 

Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao (1 Samoela, 3, 9)

 


Ho aminareo rehetra anie, ry havana, ny fahasoavan’ny Tompo !

Io teny io, ry havana, dia nalaina taminy tantara iray malaza hitantsika ao amin’ny Testamenta Voalohany. Io no valinteny nataon’i Samoela tamin’Andriamanitra  raha niantso azy Izy. Ao amin’ny tempoly no mitoetra ilay zazalahy, ary tsy mbola mahalala an’I Jehovah. Mpanompon’I Ely i Samoela, ary vonona tanteraka hanompo azy.  Raha vao miantso azy ny tompony, dia mitsangana izy ary efa miomana hanao izay lazain’ny tompony hataony. Mpanompo tsara i Samoela. Kanefa misy zavatra iray izay tsy mbola anany i Samoela kely : tsy mbola mahay mihaino ny ao anatin’ny fony io zazalahy io.
Indro ary, indray alina, maheno feo iray izay miantso azy i Samoela ; Andriamanitra no miantso azy. Fa i Samoela tsy mbola mahafantatra feo  afa tsy avy amin’i Ely; noho izany, diso fandray izy ary mihevitra fa i Ely no miantso azy. Ely kosa dia mahatakatra avy hatrany ny zavatra mitranga. Takatr’i Ely fa Andriamanitra no miantso an’i Samoela ; ka ny ataon’i Ely, dia nandidy ny mpanompony hifanatri-tava, na ny marimarina kokoa, hifanatri-fô, hifanatri-saina, hifanatri-panahy amin’Andriamanitra, satria  Andriamanitra no tonga hiteny amin’ny fôn’i Samoela.

Fampianarana telo, ry havana, no azontsika tsohana amin’izany tantataran’I Samoela izany :

1- Ny valinteny nataon’I Samoela tamin’I Jehovah : “Mitenena, Jehovah ô ! fa mihaino ny mpanomponao”, dia manainga antsika andinika ny lafin’iray amin’ny vavaka, izay matetika adinontsika : dia ny fihainoana an’Andriamanitra : io andininy amin’ny boky Samoela  io, dia manontany antsika, miantso antsika ao amin’ny ankohonantsika. Satria tsy mora amintsika ny mivavaka, tsy mora amintsika olombelona no manome toerana ho an’ Andriamanitra ao amin’ny fiainantsika. Moa ve mbola misy toerana ho an’Andriamanitra amin’izao fiara-monina izao, mbola misy ve ny toerana ho an’Andriamanitra amin’ny fiainan’ny olombelona mihaina amin’izao fotoana izao ? Io fanontaniana io no mipetraka amintsika Kristianina raha mamaky io tenin’1 Samoela io.

2- Raha mamaky ny tantaran’i Samoela isika dia mahita teny mahagaga sy mampieriteritra tokoa : “Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.” I Samoela, 3, 1). Ny fanontaniana mavesa-danja mipetraka eto ary manontany antsika dia tsy inona fa mikasika ny atao hoe “ny fahanginan’Andriamanitra” . Rehefa miteny isika hoe: “ny tenin’Andriamanitratra” , aiza no hahitantsika azy? Voalohany, dia mazava ho azy ary efa fantatsika, fa ao anaty Baiboly no tadiavintsika izy io, fa amin’ny fomba ara-tsaina fa tsy ara-bakiteny akory, sanatria tsy misy akory ny azo lazaina hoe: “vavan’Andriamanitra, na molotr’Andriamanitra, na lelan’Andriamanitra”. Koa aoka, ry havana, tsy hitsahatra hamaky ny Baiboly isika. Faharoa, ny tenin’Andriamanitra, dia azontsika raisina koa ao amin’ny tenan’I Jesoa Kristy, izay Tenin’Andriamanitra tonga nofo, ka tonga olombelona. Ary ny fomba fahatelo hahitantsika ny tenin’Andriamanitra, dia rehefa mifanatri-tava amin’ny namantsika, rehefa mifandray amin’ny namantsika. Izany hoe : mety maheno ny tenin’Andriamanitra koa isika rehefa mivavaka. Ary koa, rehefa mangina isika, ka manaiky ny hitenenan’ Andriamanitra amintsika  amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Koa rehefa miteny isika, na rehefa mitoriteny , na isika rehetra rehefa manazava ny tenin’ny Soratra Masina, na rehefa mivavaka, dia mino sy mahatoky isika fa, araka ny hitantsika ao amin’ny 1 Jaona, 5, 14 : “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy”. Eny mahatoky isika fa rehefa sahy mangataka amin’Andriamanitra isika, dia mihaino sy mamaly antsika Izy.
Fa misy koa lafiny iray hafa rehefa mivavaka isika : dia ny fahanginana : azontsika atao ny mangina, ary mihaino an’i Andriamanitra, izay miteny amintsika. Koa, raha miteny amintsika Andriamanitra, aoka hihaino Azy isika. Amin’izay, toa misy fahanginana tsy aoka izany. Mangina izao tontolo izao. Kanefa moa, tsy tokony hisy fahanginana ve, tsy tokony hangina isika rehetra, mba afahantsika mihaino izay lazain’i Adntsika antsika ? Eny ilaina koa ny fahanginana.

3- Farany : hitantsika ao amin’io tantaran’i Samoela io fa misy olona roa no mandray anjara ; ny iray, dia tovolahy, zazalahy mpanompon’i Jehovah ao anatin’ny Tempolin’ Jerosalema, i Samoela kely ; ary ny iray, dia lehilahy efa zokiny, mpitandrina, mpaminany, Ely ; izy koa dia mpanompon’Andriamanitra. Ka ny zava-mahagaga,  dia izao : tsy amin’ ilay mpaminana, tsy amin’ilay mpitandrina efa ela netezana no miteny Andriamanitra, fa amin’ilay zazalahy. Eto, ry havana, dia tadidintsika fa raha nanontany an’i Adama i Andriamanitra hoe : “Aiza moa ianao”? dia namaly Adama ka nanao hoe : ” Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.”

I Samoela kosa, rehefa nahafantatra fa Andriamanitra no miteny azy, araka izay nampianarin’i Ely taminy, nony nahenon’ Andriamanitra dia namaly am-patsorana izy : “ Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao”.

« Mihaino an’Andriamanitra » , io no fomba fiteny hitantsika ao amin’ny Baiboly midika hoe : mankato, manao ny sitrapon’Andriamanitra. Hitantsika izany ao amin’ny bokin’i Jeremia : Ary hoy Jehovah: (...) ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko” (Jer 9, 12) . Ary koa ny tenin’i Jesoa Kristy tamin’i Pilato : “Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko” (Jn 18, 37). Ny mpaminany dia manainga antsika hihiano azy. Ary koa Jesoa Kristy, Izy no tokony henointsika, araka ny hitantsika ao amin’ny bokin’i Matio raha : “ Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” (Mt 17, 5).

Miteny amintsika Andriamanitra : mety mafy loatra ny tabataba ao anatintsika ka tsy maheno ny feony aho, ka tsy mbola manetri-tena toy i Samoela kely izay, ninefatra namaly hoe “Inty aho”. Andriamanitra anefa tsy mitsahatra miteny amintsika, ao ao anaty ny Fanahintsika. Indro, tonga ny fotoanan’ny vavaka. Aoka ary  isika hangina ary hihaino Azy, dia hamaly hoe : “Mitenena, Jehovah ô, fa mihaino ny mpanomponao” !

Amen !

Christian RASETA